Surprise Me!

Nahasarika ny maro ny Gym-Kanons

2015-03-08 365 Dailymotion

Notontosaina ny alahady 8 martsa teny amin’ny kianjan’ny Maki eny Andohotapenaka ny Gym-Kanons, izay fifaninanana gymkhana nokarakarain’ny WIMS Madagasikara. Ny WIMS, izay fikambanan’ireo vehivavy mihaina ny taranja « sport mécanique » eto Madagasikara, ary tantanan’i Sandy Yannick Solofonirina.

Nahatratra 50 ny mpandray anjara, ary andriambavilanitra ny 15 mahery tamin’ireo.

Fiara fitondra andavanandro tsy misy « arceau » no hafaka mandray anjara amin’ny Gymkhana.

Ao anatin’ny halaviran-dalana voafetra, dia misy ireo sakana maromaro, sy ny sedra toy ny « marche arrière » sy ny « créneau ». Ny ahavitana ny halaviran-dalana ao anatin’ny fotoana fohy sy tsy misy adisoana no ahazoana ny naoty tsara indrindra.

Maro ireo mpijery tonga nijery ny fifaninana, izay marihina fa nahasarika ny maro tokoa.

Tamin’ity andiany voalohany ity, dia i Davonjy no nandrombaka ny amboara. Faharoa kosa i Mparany, ary fahatelo i Mana.

Sylvie no nandrombaka ny amboara eo amin’ny vehivavy, ary i Koloina kosa eo amin’ny vehivavy « junior ».

Aro Rajemison, vao 12 taona, no nadrombaka ny amboara teo amin’ny « junior « lehilahy ».

Buy Now on CodeCanyon