Embona sy hanina
Tsiahy mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo
Madisadisan'alahelo
Ny havona tazanina
Tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary ny fo maratra

Fa ny antsoko ny akony no mitampody
Mba nihika mafy ihany aho fa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Takon-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Hibanjina anao any ho any

Alahelo sy toloko
Raha vao injay tsaroko
Fa noho ny asoparan'ny tany
Izaho aty ianao lavitra any
Tsy azo hihadiana ny anjara
Izay angamba no heveriny ho tsara
Izaho tsy kivy tsy ketraka
Na dia mangidy mavesatra

Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty onaona aza ho tafarina
Na halevina mety handifitr'olona
Hiposaka haniry hamololona
Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
F'izaho tsy hitsahatra ny ho tia
Tsy ny halavitana tsy ny taona
No ahasakana ny fontsika tsy hihaona