Surprise Me!

Eric Manana -Afindrafindrao

2007-09-26 213 Dailymotion

Roy e roy e roy e ry lahy!
Midola tsy ketra'ketrak'ila
Midola tsy amin-tsavony mavo rajo
Midola mitongom-baky "mauvais"
Mitari-pasika mody ka tsy tiako
Lazondazom-boakanzo nankalao
Lazondazom-pitia nanadala
Tiavo ny havanao Ramatoa
F'izaho aza ariana sombiniaiko
ieh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Raha ianao peratra
Izaho ratsan-tanana
Ianao no endriko
Izaho bikanao sombiniaiko
Aza dia miavonavona ry kala
Aza dia tsy miteny ho'aho ianareo
Raha tsy tianareo anie aho
Atero eny antsasa-dalana aho mba hody
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Tavohangy raha mihilana
Tohanako lantinoara
Ise kely raha mihilana
Tohanako latin-tsandry moramora
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Tranonay sy malala
Manao atsimo sy avaratra
sioka tokana dia mivoaka
Kopa-damba dia lasa "rendez-vous"
Ondaondano kely anie aho ry patro
Fa marary ny an-dohako
Fa naninona no narary ?
Tsy niala vazo-boana ka narary e !
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny veloma masina ny aty
Teny Antananarivo izahay
Arivo tratry ny taona
Tetsy Ambatonakanga izahay
Nahazo akanga nivady o!
Ary teny Ambohimanga izahay
Namangy an' Ikaky sy Neny
Itondray tamotamo aho hotamotamoko
Itondray sakarivo aho hirivorivoko
Paraky mahery izahay re
Ka tsy hohanin' olon-jejo.

Razilnah

Buy Now on CodeCanyon