Hosea 6:1 - “Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.”

Hody aho

Vorona taitram-basy aho ry devoly ka tsy hijanona intsony
Ka veloma mavesabesatra no apetrako anao
‘Leo ny mifotetaka amin'ny tany aho
Ka aleo mba hiakatra ambony
Ary hiaina amin'ny fiainan-tsoa mamiratra sy vaovao

Rovitra voro-damba ve no sisa navelan'ny fahotana
Ho tinafin'ny tenako efa reraka sy mahia
Hatramin'ny masoko aza no voarakitry ny haizin'ny fahajambana
Tsy nahita ny harato fandrika ka dia ndre nikodia

Hamantana tany foana toa avandra ririna ianao satana
Raha toa mikasa ny mbola hiverina ato anatiko indray
Fa ny aizina be taloha efa voaroaka ny taratry ny hazavana
Ahitako ilay lalan-tsara zay makany am’ Ray

Aza hitsahinao re ny lambako ry ngahy losifera fa ny andro hariva
Tsy te hierika anao intsony aho f'efa leo sady fay
F'efa injany fa re manako sy mikalo any ho any ny feon'antsiva
Miantsoantso izay mbola tara rehetra hody amin'izay

Tsenao amin'ny indrafonao aho razoky Jesô f'efa tonga saina
Hatolory ny tananao re zaho fa vizana re eee
Mifaly aho raha toa ka raisinao no sady tsy maty fo aman'aina
Ohatr'izay aho efa voatono tany anaty afo be

Oooo !

Laurent Rakotomamonjy