Andro ririnina

Tsy ny fanananao harena
No hampiova izato foko
Fa na misy na tsy misy volamena
Ianao no ho tsarovako

Ity foko efa tery
Feno fitiavana anao ô ô ô ô
Nahoana e, no dia havela irery
Moa va tsy mendrika anao?

Na ny masoandro aza aky e !
Tsy mamiratra noho ianao
Maizimaizina ny aty e !
Raha toa ka hilaozanao

Feno rahona ny lanitra
Rava ny faniriako
Naleonao nangarika
Toy izay hanatrika ny hakiviako

Lasa ianao toy ny andro ririnina
Nitondra hatsiaka sy taratra
Izaho kosa mitomany toa zaza nariana
Irery tratra andro fahavaratra

Tsy ny elanelan-tany
No hampiova izato foko
Eny na dia lavitra ihany
Ianao no tsarovako

Mahaleo