Miala tsiny (maître BESSA)

Miala tsiny miala tsiny aho rahavako
Miala tsiny aho raha tomany
Fa tsy tiako tsy iniako
Ho hitanao ny fahoriako havako
Fa tsy tsindry tsy haiko intsony havako
Efa niezaka aho marina mafy
Nefa re dia tsy hafy ny alaheloko anao

Miala tsiny miala tsiny aho rahavako
Miala tsiny aho raha tomany
Fa fahiny izaho ihany
No nandrara tsy hanao izany havako
Ankehitriny ankehitriny tsapako
Fa tsy zaka sy tsy toha
Eny hoy aho ny alahelo raha toa kobonina ao am-po.

Soava dia tongava soa rahavako
Nefa aza ela loatra
Mitsikia mifalia
Fa ny foko raha mitroatra havako
Dia fitia ho doria rahavako
No manosika azy ao
Eny fa miala tsiny raha toa nampitomany anao.