Andriamanitra ô,Andriamanitra ô
Miantso anao aho te hihaona aminao.(Bis)
Hatramin'ny maraina no niantsoako anao
Mangetaheta anao izany fanahiko

Andriamanitra ô,Andriamanitra ô
Miantso anao aho te hihaona aminao.(Bis)
Ny tany karakaina omeo ny orana
Ny foko mitaraina fa te hahita anao.

Iriko anie ry Tompo ny ho eo anilanao
Ibanjina isanandro ny voninahitrao

Andriamanitra ô,Andriamanitra ô
Miantso anao aho te hihaona aminao.(Bis)
Fa ianao no aina mamelombelona
Fa ianao ry Ray ô no hasambarako

Andriamanitra ô,Andriamanitra ô
Miantso anao aho te hihaona aminao.(Bis)