Y Zit - Fo Mijaly

Misentosento loatra, potika ny fo
Niandriandry loatra, nivakivaky loha
Nefa ianao tsy hitako eo an'ilako eo
Lasalasa teo, ny fitiavanao
Tsy eno ity feo, fo miantso anao
Tsy ho rava ity fitiavako anao

Fiverenana: [center]Ny aiko dia tsy hilaza hanadino anao
Ity zanantsika mampatsiaro anao
Rehefa mijery azy, ianao no itako
Rehefa misakambina, ny tananao no tsampako[/center]

Fo mijaly no miantso anao
Fo mitia no tiako omena anao
Tsy hisy hanakana , tsy mety levona
Ny toerana nomeko anao

Nandefa taratasy, tsy misy valin-teny
Tena very saina mantsy, fa tsy sahy miteny
Ny hany hery ny fitondran' ny ao ambony
Miantso anao ry Ray, omeo ahy ny hery
Ny sitram-ponao ahiko, ho soa fa ny ao am-poko
Dia fantaro fa tena mbola tena mila Anao

Fiverenana...

Raha izay sedram-piainana mandalo fotsiny ihany
Ka na be ny adin-tsaina mandreraka sy mampiondrika amin'ny tany
Ny safidin'ity foko, efa mitempo ho anao
Ka tsy hisy hibaiko, n'iza n'iza no miteny

Fiverenana...