Raiso Jesosy ô! F’omeko avokoa
Mba hanompoako, Anao ny fiainako
Tsy asiako fetra, tsy ho faritako
Fa aoka Iana no ho mpanapaka

Raha mbola avelanao, hitempo ao anatiko ao
Lay foko zay nomenao, mba hamelombelona ahy
Dia hitsangana aho, ka hiasa izao mba ho Anao
Ka esory amiko ny ahiahy... Jesosy ô!

Mba hiantako aminao, tokoa Jesosy ô!
Ampionony re, ny fahatezerana amiko
F’efa fantatrao sy tsy miafina eo aminao
Saiky kivy ity mpanomponao... Jesosy ô!

Ambarako eto indray, ho ren’izao rehetra izao
Ny dina sy ny voady, fa ekeko ny ho irakao
Nefa tsy ho tanteraka anie Jeso
Raha tsy omban’ny Fanahy Masinao... Jesosy ô!