Soa aho nampahoriana
Mba hianarako ny fahendrena
Fa ireny no niara-niasa, no nanefena
Saina, vatana, fanahy mba handresena
Soa hoa voazaha toetra
Tamin’ny fahoriana izay nafaitra
Ny fanantenako mafy orina
Ny fifaliako tsy ho levona

Fiv.:
Faly aho, ravo aho, ka hira no ventsoiko
Saotra, dera ho Anao Mpamonjiko
Fiderana no eo am-bavako
MANDRAPAHAFATIKO !!!

Manana ady tsara aho
Dia hany ady tsaran’ny finoana
Fa fanahy no mibaiko hoe “tanteraho”
Dia ho azonao tokoa ny fandresena
Indro ny famonjena
Asalotra ahy mba ho fitahiana
Satro-boninahitra fahamariana
Io no tombokase ny fiainana

Fiv. :…